– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Ny 28 Janoary 2026 tokony ho tamin’ny 09 ora maraina, lehilahy vahiny iray no nosamborin’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny PPA3 Ilanivato tao amin’ny toeram-pisotroana iray eny Tanimenabe Ilanivato noho ny raharaha halatra izay nazahoana fitarainana voaray mahakasika azy.
– Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky ny heloka hiampangana azy ity tera-tany vahiny ity.
– Rehefa natao ny fanadihadiana dia hita nandritra izany ihany koa fa nampiasa kara-panondro malagasy sandoka izy ary voalaza fa tsy ara-dalàna ny fijanonany eto Madagasikara.
– Natolotra ny sampan-draharaha manokana miandraikitra izany ity lehilahy ity ary ho atolotra ny Fampanoavana rehefa vita famotorana.