– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka.
– Notanterahina ny Asabotsy 31 Janoary 2026 teto Betafo, Faritra Vakinankaratra, ny fitokanana ny Kaomisarian’ny Filaminambahoaka vaovao ao an-toerana.
– Tonga nitokana sy nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Colonel RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, RAMPANARIVO Solofotiana Thierry, ary ireo Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta, teo ihany koa ireo Solombavambahoaka izay notarihin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena RANDRIANASOLONIAIKO Siteny.
– Notsindrian’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa fanehoana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka ny fanokanana ity fotodrafitrasa ity, mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka, indrindra eo amin’ny lafiny fitandroana ny filaminana izany. Nandrisika manokana ireo Polisimpirenena miasa eto amin’ity Kaomisaria ity izy mba hanana toe-tsaina vaovao eo amin’ny fanatanterahana ny asa, ho lavitry ny kolikoly, ary hampanjaka ny fanavaozana apetraka.
– Nisaotra sy nankasitraka ny Fitondram-panjakana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL. Nanamafy izy fa fanatonana ny vahoaka no antony nananganana izao kaomisaria izao, izay fotodrafitrasa manakaiky ny vahoaka, hampandry fahalemana azy ka hahafahany mamokatra sy mihary am-pilaminana. Nohamafisiny ihany koa fa hanao ny ezaka rehetra ny Polisimpirenena eto an-toerana mba hitondra vokatra azo tsapain-tanana, amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana.
– Nandritra ny fandraisam-pitenenany tao amin’ny fitokanana ny kianja mitafo ao Betafo dia nilaza ny solombavambahoaka voafidy ao an-toerana fa hanolotra moto miisa 10 ho an’ny Kaomisaria ao Betafo, mba hanamoràna ny asa ataon’izy ireo.
– Tonga maro nanotrona sy nanome voninahitra ity lanonana ity ireo olom-boafidy sy olo-manankaja maro, sivily sy miaramila, ary ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Polisimpirenena tonga teto an-toerana.

FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA VAKINAKARATRA : NOTOKANANA SY NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY KAOMISARIA VAOVAO AO BETAFO.

Vous pourrez aussi aimer