-Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
-Vokatry ny famotorana lehilahy iray tratra nangalatra moto teny Ankadimbahoaka ny 15 febroary 2025lasa teo dia nanoro ireo mpiray tsikombakomba aminy, amin’ny fandraisana sy fivarotana ireo entana halatra io jiolahy io.
-Teny Anosibe, Anosy ary Ampefiloha no nisamborana ireo olona voasaringotra amina resaka halatra ireo ary ny maraimben’ny 17 Febroary 2025 no nanao ny fisamborana ny Polisin’ny SUT Tsaralalàna sy ny Compagnie Urbaine d’Intervention.
-Miisa 8 ireo olona ireo ka vehivavy ny iray, mbola tratra tany amin’izy ireo ny entana halatra sy tsy fantam-piaviana maro.
-Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ary ho atolotra ny Fampanoavana rehefa vita ny famotorana savaranonando ataon’ny Polisimpirenena.