– Nanomboka ny Alakamisy 19 Febroary 2026 tolakandro, nisy hetsika manokana fandrindràna sy fanaraha-maso ny fifamoivoizana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria foibe Mahajanga ; nojerena manokana ireo mpitondra kodiaran-droa tsy manao aro-loha sy mandeha mafy loatra.
– Natao izao hetsika izao noho ny fitombon’ny lozam-pifamoivoizana ao Mahajanga izay matetika nahafatesana olona.
– Tanjona ny hampihena ny loza sy hampanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ka hampirindra izany.
– Nandritra ny fanaraha-maso dia moto miisa 32 no. nosaziana noho ny tsy fanaovana aroloha, 17 kosa noho ny tsy fananana taratasy ara-dalàna ho an’ny moto na ny mpitondra izany ary 11 noho ny fandehanana mafy loatra.
– Ireo fandikan-dalàna ireo dia voaporofo fa anisan’ny antony lehibe mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ao Mahajanga ka noho izany dia hitohy hatrany ny hetsika tahaka izao ataon’ny Polisimpirenena.
