-Ny alin’ny 03 Martsa 2026 tokony ho tamin’ny 11 ora, naharay antso ny Polisimpirenena fa nisy herisetra nitranga tao Analamahitsy Tanàna.
Vehivavy iray manodidina ny 20 taona no hita naratra mafy sy feno rà teo anoloan’ny trano iray, ka niantso vonjy.
-Nentina haingana tany amin’ny Hôpital HJRA izy saingy tsy tana ny ainy ny marainan’ny 04 Martsa 2026 noho ny ratra mafy nahazo azy. Mbola afaka nitantara tsara ny zavatra nanjo azy sy ny olona nahavita izao herisetra izao anefa ity vehivavy ity ka ny sakaizany ihany no nahavanon-doza.
-Nanery azy hanala zaza io sakaizany io saingy tsy nanaiky izy ka niafara tamin’ny famonoana izao.
-Efa voasambotry ny Polisin’ny Kaomisaria analamahitsy ilay lehilahy 19 taona ary niaiky ny heloka vitany izy. Mitohy ny fanadihadiana ka ny Brigade Criminelle no misahana izany.
