-Izany no teny filamatra nanokafana ny fankalazana ny Fetin’ny Vehivavy, izay natomboka androany 04 Martsa 2026, tamin’ny alalan’ny Fotoam-pivavahana sy hetsika samihafa tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolontsaina Mahamasina.
– Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA, miaraka amin’ny vadin’ireo mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary koa ireo vadin’ireo Minisitra misahana ny Hery Fiarovana sy Filaminana ; teo ihany ireo vehivavy manana andraikitra ambony, na olom-boafidy na olom-boatendry.
-Nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’ny lanonana ihany koa ireo Filoha sy mpikamba maro ao anatin’ny FIVAPOVA, FIVAMI, FIVAZA, FIVAPM ary ny Vehivavy ao amin’ny Vonjy voina sy ireo vehivavy manamboninahitra isan-tsokajiny, ary ireo mpikambam-behivavy hafa izay nanotrona.
-Nandritra ny fotoana dia nitondra am-bavaka ny firenena, ny mba hisian’ny fandriampahalemana izy ireo. Nangata-pitahiana ho an’ny vadin’izy ireo iha ny koa mba hahafahany manatanteraka ny adidiny amim-pahavononana sy fahombiazana, ho tombontsoan’ny Firenena sy ny Vahoaka Malagasy.
-Notohizana tamin’ny famelabelarana momba ny zon’ny vehivavy ny fotoana ary nisy ny hetsika Fanatanjahan-tena niarahana.

“NY VEHIVAVY VADIN’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA, HERY IRAY HO AN’NY FANAVAOZANA NY FIRENENA”

Vous pourrez aussi aimer