– Fiarovanana ny tontolo iainana.
– Notontosaina ny Sabotsy 07 martsa 2026 teny Tsarahonenana Antanambao (RN3), ny hetsika fambolen-kazo niarahan’ny fikambanana ITF MADOTAE Association, Madagascar ITF Heng De, ary ny Taekwon-Do Unity ary ireo Polisimpirenena misehatra ao amin’ity haiady ity. Nitarika izany ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Taekwon-do ITF Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Yves Francky.
– zana-kazo miisa 300 no natsatoka mba ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana lovain-jafy.
– Fanamafisana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Taekwon-do ITF sy ny Polisimpirenena ihany koa ny hetsika, izay efa nahazoan’ireo Polisy fiofanana momba ny « Self-Défense » ahafahana miatrika ny asa.

TAEKWON-DO ITF SY NY POLISIMPIRENENA: NIARAKA NAMBOLY HAZO TENY TSARAHONENANA TANAMBAO (RN 3).

Vous pourrez aussi aimer