-Ady amin’ny halatra isan-karazany sy ny asan-jiolahy.
-Nisehona trangana vaky trano ny atoandron’ny 06 martsa 2026 tao amin’ny tokan-trano iray etsy Avarabohitra Soavimasoandro ka fitaovana informatika sy fitaovana fampiasaina amin’ny fandraisam-peo no very.
-Nametraka fitoriana teny anivon’ny Polisimpirenena ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany faha-8 Analamahitsy ny tompontrano.
-Niroso tamin’ny fikarohana ny Polisy ka tratra teny Soavimasoandro ihany ireo olon-dratsy roalahy ny harivan’ny 07 martsa 2026. Mbola hita tao an-tranon’izy ireo ihany koa ireo entana halatra.
-Nosamborina avy hatrany izy roalahy ary nentina teny anivon’ny Kaomisaria hanokafana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny Fampanoavana.

 

SOAVIMASOANDRO : MPAMAKY TRANO ROALAHY IKOIZANA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer