– Notanterahina ny Sabotsy 14 Martsa 2026 teny amin’ny Mining Business Center Ivato ny Championnat Régional Analamanga Fitness et Bodybuilding – Mister Tana 2026, nokarakarain’ny Fédération Malagasy de Bodybuilding.
– Nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity ny solontenan’ny COSPN (Club Omnisport de la Police Nationale), ka nahazo vokatra tsara tamin’ireo sokajy samihafa.
– Men’s Physique
– Rado – laharana voalohany
– Classic Physique
– SBP Robel PAF – laharana voalohany
– Frederick – laharana faharoa
– Bodybuilding -75 kg
– Jimy – laharana fahatelo
– Bodybuilding +75 kg
– Njiva – laharana faharoa
– Ireo vokatra ireo dia manaporofo ny ezaka sy ny fahavononan’ny COSPN amin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena fitness sy bodybuilding, ary mampiseho ihany koa ny fahaiza-manaon’ireo atleta solontenany. Rantsana vao natsangana ny taranja bodybuilding ho an’ny COSPN ary izao efa nahita vokatra izao sahady.


