-Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
– Lehilahy roa no voasambotry ny Polisy tao Talatamaty Fianarantsoa, ny Alarobia 11 Martsa 2026 tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, tratra am-bodiomby namaky trano.
-Nanararaotra ny tsy naha tao an-toerana ny tompon-trano ireto tontakely ireto ka nihevitra fa malalaka ny lalana. Soa fa miray hina ny mponina ary rehefa tsara ny fiarahamonina dia mahay mifampiaro ny mpifanolo-bodirindrina.
-Nampandre ny Polisimpirenena ny tsara sitra-po izay nahatsikaritra azy ireo ka niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana.
– Tafaverina avokoa ireo entana halatra izay efa naverina tamin’ny tompony.
– Taorian’ny fanadihadiana natao dia natolotra ny Fitsarana ireo voasambotra ny Zoma teo ka nidoboka am-ponja.
– Tsara raha asiana ny laharan’ny Polisimpirenena ihany anaty finday mba ahafahana miantso avy hatrany raha misy ilàna maika izany fa tsy voatery manatona ny birao.
