– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Ny basy entin’ireto jiolahy ireto manao asa ratsy no kilalao saingy manana endrika tena izy, fa ny antsy maranitra sy ny fandrobàna miharo herisetra hataony amin’ireo izay tratra alina amin’ny fodiana tsy misangy.
Na izany na tsy izany, nahomby ny fiaraha-miasa teo amin’ny Polisimpirenena sy ny andrimasom-pokonolona eny Amboavahy Ambohimanarina izay miara-manao fisafoana amin’ny alina ka nahatratrarana ireto mpanendaka ireto.
– Ny alin’ny Talata 17 Martsa 2026 tokony ho tamin’ny misasakalina mahery tokoa no nifanena tamin’ny Polisy sy ireo Vaomieran’ny Fandriam-pahalemana nanao fisafoana izy roalahy ireto ka rehefa nosavaina dia tratra tany aminy ireo fitaovam-piadiana ireo.
– Manamafy hatrany ny Polisimpirenena fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
– Nentina eny amin’ny Kaomisaria moa izy roalahy hanokafana fanadihadiana sy hatao andri-maso ary ho atolotra ny Fampanoavana rehefa vita izany.

 

AMBOAVAHY : MPANENDAKA ROALAHY MITONDRA BASY KILALAO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA MIASA AO AMBOHIMANARINA.

Vous pourrez aussi aimer