– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
‎- Taorian’ny halatra miharo vaky trano nifanesy niseho tao anatin’ny Distrikan’i Boriziny (Port-Bergé) dia tsy nitsahatra nanao fikarohana ny Polisimpirenena miasa ao anivon’ny CSPD Boriziny.
‎- Nahomby ny fanakaikezan’ny Polisimpirenena ny vahoaka satria nisy nanome loharanom-baovao marim-pototra ny momba ny jiolahy sy ny toerana fanafenany ny entana halatra azony.
Ny alarobia 18 Martsa 2026 maraina. Nidina hanao ny fisamborana ny mpitandro ny filaminana, tsy nanaiky lembenana ilay jiolahy fa nampiasa ny basy vita gasy teny am-pelatanany ka nitifitra.
Namaly izany ny Polisy ka maty nandritra ny fifampitifirana ity jiolahy ity.
‎- Mbola hita tao amin’ny trano fiereny ireo entana maro isan-karazany izay halatra avokoa.
‎- Mitohy ny fikarohana ireo namany hafa mpiray tsikombakomba aminy.
Ny Polisimpirenena dia mandray ny andraikiny feno ary miantso ny mpiray Tanindrazana hitoroka ireo olon-dratsy sy hanome vaovao fa tanana hatrany ho tsiambaratelo izy ireny.

 

BORIZINY (PORT-BERGE) : JIOLAHY IRAY MPAMAKY TRANO IKOIZANA LAVON’NY BALAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer