-Nanatanteraka dinikasa ho fanamafisana ny firaisan-kina sy firaisan-tsaina na “team building” ireo Polisimpirenena miasa ao amin’ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Zoma 27 Martsa 2026 , tetsy Ambohimalaza. Nitarika izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette.
-Natao indrindra hanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ny mpiara-miasa ny hetsika tahaka izao ka mikendry ny hanatsaràna hatrany ny fahombiazana amin’ny asa.
-Nivoitra nandritra izany ny fiombonana, izay antoky ny fanatanterahana tsara ny adidy marina amin’ny asan’ny Polisimpirenena.
– Ny hetsika tahaka izao dia tena ilaina sy amporisihina amin’ny toeram-piasàna isanisany hanamafisana ny firaisan-kina sy ho fanatsaràna hatrany ny fomba fiasa.

POLISIMPIRENENA : MANAMAFY NY FIRAISAN-KINA EO AMIN’NY FANATANTERAHANA NY ASA NY AO AMIN’NY SEKRETERA JENERALY EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA.

Vous pourrez aussi aimer