– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
– Ny 31 Martsa 2026, lehilahy iray
tompon’antoka tamin’ny halatra moto no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao Fitaleavam-paritry ny filaminambahoaka Alaotra Mangoro.
– Nisy moto an’olona avy any Ambatondrazaka no naharaisana fitaraina fa very. Taorian’ny fikarohana dia fantatra fa ao Andreba Gara ilay izy, nidina ifotony avy hatrany ny Polisy io andro io ihany ka tra -tehaka ilay lehilahy niaraka tamin’ilay kodiaran-droa halatra izay tsara petrapetraka tao aminy.
– Nentina eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Alaotra Mangoro ilay voasambotra miaraka amin’ilay moto. Misokatra ny fanadihadiana.
ALAOTRA MANGORO: TOVOLAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA MOTO
