– Nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska sy ny Alatsinain’ny Paska dia nanatanteraka asa fiarovana sy fanamafisana ny filaminam-bahoaka manerana ireo faritra hiadidiany ny Polisimpirenena.
– Nanamarika izany ny fiarovana ireo eglizy sy toerana fitsangatsanganana be olona, ny teny amin’ny lalam-pirenena ary ny teny amin’ny tanàn-dehibe.
– Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mpampiasa lalana amin’ny alalan’ny hetsika « Pâques sans accident ». Nampatsiahivina ireo mpamily mba hanaja ny lalàna sy tsy hitondra fiara rehefa avy nandray zava-pisotro misy alikaola ka mamo.
– Napetraka tamin’ny toerana maro ny Polisy toy ny sakana sy fanaraha-maso, ary natao ny fandrindràna ny fifamoivoizana mba hisorohana ny fitohanan’ny fiara sy hanamorana ny fivezivezen’ny olona nandritra ny fety, anisan’izany ihany koa ny fiandraiketana ny filaminana amin’ ireo hetsika ara-javakanto teto Antananarivo sy ny manodidina.
– Tanjona ny hisorohana ny loza samihafa mety hitranga na ny fandikan-dalàna hanohintohina ny filaminan’ny be sy ny maro.
– Nahitàna ny Polisimpirenena avokoa na tora-pasika sy toerana fialam-boly ary ireo be olona mifamezivezy, na elakelan-trano na teny an-dalambe.
– Tsy amin’ny andro fety ihany fa ny Polisimpirenena dia mijoro hatrany miaro ny vahoaka sy ny fananany.
– Indreto santionany amin’ireo Polisimpirenena nisehatra teny an-kianja nandritra ny fety.

ALATSINAIN’NY PASKA IEREN-DOZA, NANDRAY ANDRAIKITRA HATRANY NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA NY FETIN’NY PASKA SY NY ALATSINAIN’NY PASKA 2026.

Vous pourrez aussi aimer