POLISIMPIRENENA : MANAMAFY NY FIRAISAN-KINA EO AMIN’NY FANATANTERAHANA NY ASA NY AO AMIN’NY SEKRETERA JENERALY EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA.

-Nanatanteraka dinikasa ho fanamafisana ny firaisan-kina sy firaisan-tsaina na “team building” ireo Polisimpirenena miasa ao amin’ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Zoma 27 Martsa 2026 , tetsy Ambohimalaza. Nitarika izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : NANAO FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA SY NIARAHABA NY MINISITRA, NY INSPECTEUR GÉNÉRAL DE POLICE ERICK MICHEL, IREO TOMPONANDRAIKITRA AMBONY EO ANIVON’NY POLISIMPIRENENA

– Taorian’ny fanendrena indray ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL ho Minisitry ny Filaminambahoaka, dia tonga nitsidika sy niarahaba azy tao amin’ny toeram-piasany ireo tomponandraikitra ambony mandrafitra ny “Staff” eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny marainan’ny 26 Martsa 2026. –

AMBATOMIRAHAVAVY, TERATANY VAHINY MAMPIAHIAHY MIISA 83 NOSAMBORIN’NY POLISIMPIRENENA, ORINASA MIAFINA IRAY MAMPIASA OLONA TSY ARA-DALÀNA NAHITANA SOLOSAINA AN-JATONY NANOKAFANA FANADIHADIANA.

– Ady amin’ny heloka bevava iraisam-pirenena (Crime Transnational Organisé) – Nahazo angom-baovao ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Service Central de la Surveillance du Territoire na ny sampandraharaha manara-maso ireo vahiny mivezivezy eto Madagasikara, fa misy orinasa mampiasa tera-tany vahiny am-polony

NAHAVITA NY FIANIANANA AMIN’NY MAHA MPIKAROKA FANDIKAN-DALANA AZY IREO POLISIMPIRENENA AVY AMIN’NY ANDIANY MENDRIKA, NY ANDIANY MANEVA ARY IREO ANDIANY NAHAZO GALONA HO INSPECTEUR DE POLICE

-Tontosa ny 23 martsa 2026 tolakandro, tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy ny lanonam-pitsaràna nanaovana fianianana ho an’ireo Polisimpirenena tafiditra ho anisan’ireo mpikaroka fandikan-dalàna (OPJ). -Taorian’ny fianianana izay natao androany dia afaka mitarika sy manatanteraka fanadihadiana mifandraika amin’ny heloka bevava