-Voasambotry ny Polisy misahana ny heloka bevava Anosy (Brigade Criminelle) ny 20 septambra 2025 ireo lehilahy roa voarohirohy ho namono nahafaty teratany sinoa mianadahy tompon’ny restaurant Vénus 67ha ny 11 septambra 2025.
-Raha tsiahivina dia ny 15 septambra 2025 no nahitana ireo razana roa tao amin’ilay trano fisakafoanana ihany.
-Taorian’ny fikarohana lalina nataon’ny Polisin’ny BC dia tratra ireo lehilahy roa, izay samy mpiasa tao amin’ilay trano fisakafoanana ihany ny sabotsy 20 Septambra 2025.
-Ny iray voasambotra ny maraina teny Ivato, ny iray kosa, tratra ny harivan’iny ihany tany Ambanivohitr’i Manakara
-Niaiky moa izy roalahy ireto fa tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity ka fangalarana vola tao an-tsena niampy lonilony nisy teo amin’izy ireo sy ny mpampiasa no anton’izao fihetsika izao.
-Mbola nisy tamin’ny ny ampaham-bola nangalarin’izy ireo tratra teny aminy nandritra ny fisamborana nataon’ny Polisimpirenena.
-Ny Fitondram-panjakàna malagasy, dia manao ny ezaka hatrany ny hitandroana ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana eto amin’ny firenena na hoan’ny teratany vahiny na ho an’ny malagasy tsy an-kanavaka.
-Ho atolotra ny fampanoavana izy roalahy ireto rehefa vita ny famotorana savaranonando ataon’ny Polisimpirenena.