– Notanterahina tao amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe ny 29 novambra 2025 maraina ny fotoam-pivavahana ho fankalazana ny faha 30 taona nivoahan’ny andiany SAHY “1995-1996”. Hetsika nanamarika ny firaisankina, ny fifampitsinjovana ary ny fisaorana an’Andriamanitra tamin’ny fitahiana sy fitarihana nandritra ny 30 taona nijoroan’ity andiany ity tao anatin’ny sehatry ny asa maha Polisimpirenena.
– Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, izay notronin’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka. Nisaotra ireo Polisimpirenena avy amin’ny andiany SAHY noho ny ezaka sy ny asa soa vita, fa indrindra ny fanoloran-tena nandritra ny 30 taona ramatoa Sekeretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Nandritra ny toriteny sy ny vavaka niarahana dia nasongadina ny maha-zava-dehibe ny fahafoizan-tena, ary ny fanompoana amim-pahamarinana ny firenena sy ireo mpiray Tanindrazana.

