-Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy, hankalazaina ny faha-08 Martsa ho avy izao, ny hetsika fambolen-kazo notanterahina tetsy Ambohimahavelona, Talatan’I Volonondry, ny Zoma faha-06 Martsa 2026.
-Tonga nitarika sy nanome voninahitra izany ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA. Nambarany fa tsy afa-misaraka ny vehivavy sy ny tontolo iainana, satria toy ny vehivavy miantoka ny fifandimbiasan’ny taranaka sy ny hoavin’ny zanaka aman-jafy, dia anjaran’ny rehetra ihany koa ny miaro sy mikojakoja ny tontolo iainana ho fanavaozana ny firenena.
-Anisan’ireo tonga teny an-toerana ihany koa ny vadin’ireo Minisitra misahana ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ireo vehivavy manana andraikitra ambony, na olom-boafidy na olom-boatendry, ary vehivavy marobe tonga nandray anjara tamin’ity hetsika fambolen-kazo ity.
-Nitarika ny Fikambanan’ny Vady Polisy sy Polisy Vavy (FIVAPOVA) teny an-toerana ny Filoham-boninahitry ny fikambanana, Ramatoa ERICK MICHEL Lantosoa, niaraka tamin’ny Mpandrindra Nasionaly Ramatoa TSARAMONINA Fanjanirina, sy ny Filoha Nasionaly, Commissaire Principal de Police HAJANOMENA Razafindrasoa Bernadette, ary ireo vehivavy tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
-Ny lohahevitra lehibe nasongadina nandritra izany dia ny hoe :
“Vehivavy Malagasy : hery iray ho fanavaozana ny Firenena.”



