✅Notarihan’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny 5 mey 2025, tetsy amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ny fivoriana lehibe izay nanaovana jery todika sy nitondràna tombana tamin’ireo asa vitan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena nandritra ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron teto amintsika sy nandritra ny fivoriana an-tampony faha-dimin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana ny volana Aprily teo iny.
✅Nandray anjara tamin’ity fivoriana lehibe ity avokoa ireo tompon’andraikitra ambony rehetra sy ny Tale eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ary ireo lehiben’ny Sampandraharaha isanisany misy ao amin’ny Polisimpirenena.
✅Tanjona ny ahafahana manitsy izay mbola azo hatsaraina hatrany tamin’ny fomba fiasa nandritra ireny fotoan-dehibe ireny, fa indrindra ihany koa mametraka sahady dieny izao ny lamina mandritra ny fankalazàna ny Fetim-pirenena amin’ny volana Jona sy ny fivoriana an-tampon’ny SADC amin’ny volana Aogositra.

POLISIMPIRENENA : NANAO JERY TODIKA SY TOMBANA TAMIN’NY FOMBA FIASA NATAO NANDRITRA NY FITSIDIHAM-PANJAKANA SY NY FIVORIANA AN-TAMPON’NY COI, MBA AHAFAHANA MITONDRA FANATSARANA AMIN’NY ASA LEHIBE IZAY MBOLA HO AVY

Vous pourrez aussi aimer