Ady amin’ny asan-jiolahy
✅ Nosamborin’ny Polisimpirenena avy ao amin‘ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Atsinanana ny lehilahy roa, 27 sy 29 taona, ny 27 Aogositra 2025 tao amin’ny Fokontany Ampapanambo, Kaominina Ambonivohitra Mahanoro, noho ny fampihorohoroana ny mponina amina basy tsy tena izy.
✅ Naharay vaovao ny Polisimpirenena any an-toerana izay milaza ny fisian’olona roa mitam-piadiana ahiana ho mpikambana ao amina andian-jiolahy avy any Toamasina. Nametraka paikady hahafahana misambotra azy ireo ny Polisy ka rehefa natao ny fisavana dia hita tamin’ny iray amin’izy ireo tokoa ny basy sandoka.
✅ Noentina eny amin’ny biraon‘ny Polisimpirenena avy hatrany ireto lehilahy roa ireto hanohizana ny fanadihadiana.

 

LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO MAHANORO : MAMPIHOROHORO NY MPONINA AMIN’NY BASY KILALAO

Vous pourrez aussi aimer