Ady amin’ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana
– Taorian’ny fikarohana natao dia voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) Mahajanga ny 30 aogositra 2025 tao Tsararano Ambany, Mahajanga, i Mimi, jiolahy raindahiny, efa mpamerin-keloka sady ao anaty fikamban-jiolahy no efa malaza ratsy amin’ny resaka halatra moto any an-toerana.
– Fantatra fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fandrobana moto nitranga ny 07 Jona 2024 tao Mahajanga ny tenany no sady tompo-kevitra tamin‘izany. Ny 20 Septambra 2024 no efa voasambotra ny namany niara-nanao izany halatra izany.
– Mbola nahitàna moto halatra tao aminy nandritra ny fisavàna.
– Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena ity jiolahy ity hanaovana fanadihadiana.

 

VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA I « MIMI » : JIOLAHY RAINDAHINY, MPAMERIN-KELOKA MALAZA RATSY MPANAO HALATRA MOTO ARY AO ANATY FIKAMBAN-JIOLAHY AO MAHAJANGA

Vous pourrez aussi aimer