– Manatanteraka iraka ao amin’ny faritra Menabe ireo mpikamban’ny Governemanta vitsivitsy ankehitriny ka isan’izany ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANA Herilala.
– Tonga tao Morondava ny marainan’ny 4 Septambra 2025 ny Minisitry ny Filaminambahoaka.
– Nisy ny fihaonan’Andriamatoa Minisitra tamin’ireo tompon’andraikitra ambony sy mpitantana ao amin’ny ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka ao Menabe.
– Noresahana nandritra ny fihaonana ireo toromarika nomenan’Andriamatoa Minisitra mikasika ny fandrindràna ny fifamoivoizana sy ny fanamafisana ny fandriampahalemana any an-toerana.
– Taorian’izay dia nitsidika ireo fotodrafitr’asa vaovao ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka ao Menabe ny Minisitra niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony.
NIHAONA TAMIN’IREO POLISIMPIRENENA AO AMIN’NY FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA AO MENABE NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA, NITSIDIKA IREO FOTODRAFITRASA VAOVAO IHANY KOA IZY