FITANDROANA NY FILAMINANA MANDRITRA NY LALAON’NY NOSY : NITONDRA FANKAHEREZANA HO AN’NY MPITANDRO FILAMINANA NY PRAIMINISITRA LEHIBEN’NY GOVERNEMENTA

✅️ Nitsidika ny Centre opérationnel hiarahan’ireo mpitandro filaminana (EMMONAT , EMMOFAR ) mandrindra ny fitandroana ny filaminana madritra ny lalaon’ny Nosy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta niaraka tamin’ireo minisitra eo anivon’ny governemanta nahitana ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena .
✅️ Ny herinandro lasa teo moa no efa niasa ity  » Centre opérationnel  » ity amin’ny fiarovana ireo delegasiona vahiny tonga eto Madagasikara . Anisany andraikitra lehibe sahanina ihany koa ny fitandroana ny filaminana ny tananan’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ka miisa 82 440 ny mpitandro filaminana indray hihetsika ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany .
✅️ Ho an’ny Polisim-pirenena manokana dia nanambara ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa fa mitohy hatrany ny fitandroana ny filaminana amin’ny Ankapobeny eto Antananarivo sy ny manodidina . Nilaza izy fa vonona hifanome tanana hatrany ny Polisim-pirenena amin’ny fanatanterahana ny asa sy hampiasa ny fitaovana rehetra eo am-pelantanany.
✅️ Nitondra fankaherezana ho an’ireo mpitandro filaminana moa ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Christian Ntsay amin’ny adidy lehibe hiantsorohan’izy ireo . Nitondra ny teny fisaorana ho an’Andriamatoa Praiminisitra kosa ny Minisitry ny fiarovam-pirenena ny Jeneraly RAKOTOARIJAONA Josoa tamin’izao fitsidihana nataony izao izay mampiseho ny fahatokisany ho an’ny mpitandro filaminana Malagasy .

FITANDROANA NY FILAMINANA MANDRITRA NY LALAON’NY NOSY : NITONDRA FANKAHEREZANA HO AN’NY MPITANDRO FILAMINANA NY PRAIMINISITRA LEHIBEN’NY GOVERNEMENTA

Vous pourrez aussi aimer