Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
– Tontosa tao Morondava ny sabotsy 06 septambra 2025 ny fitokanana ny birao vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka ao amin’ny faritra Menabe.
– Ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA no tonga nitokana izany. Notronin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Chritian; ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ary ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta izay mamita iraka ao amin’ny Faritra Menabe.
-Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’ny fijerena ny fanatsaràna ny fiainam-bahoaka izao, dia ny mahakasika ny lafiny fandriampahalemana izay mipaka mivantana amin’ny andavanandron’ny mponina. Eo ihany koa ny fitsinjovana manokana ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakàna.
– Nisy ihany koa ny fiara tsy mataho-dalana natolotry ny Filoham-pirenena entina hanatsaràna hatrany ny asa eo amin’ny fandriam-pahalemana.

NOTOKANANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY BIRAO VAOVAON’ NY FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA MENABE

Vous pourrez aussi aimer