Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
– Naharay antso ny eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Anôsy ny 14 septambra 2025, fa misy rongony nafenina tao amin’ny Fokontany Ambalateva Kaominina Ivahona ao amin’ny Distrikan’i Betroka.
-Nidina tany an-toerana avy hatrany ny Polisimpirenena ary nahita rongony miisa 12 gony, izay milanja 130 kilao tao Ambodivohitra Ambalateva, nafenina tao anaty kirihitra somary ivelan’ny tanàna.
-Nanokatra fanadihadiana ny Polisimpirenena ary notazonina ao amin’ny biraon’ny Polisy ireo rongony miandry ny fahazoan-dalana avy amin’ny fitsaràna ho fandorana izany.
BETROKA : RONGONY MILANJA 130 KG SARON’NY POLISIMPIRENENA TAO AMBALATEVA IVAHONA