Ady amin’ny asan-jiolahy
Taorian’ny fanadihadiana lalina sy ny angom-baovao nataon’ny Sampana miady amin’ny heloka bevava (Brigade Criminelle) sy ny SAG amin’ilay raharaha fanafihana ka nahaverezana volabe tao amina trano fandraisambahiny iray tetsy Ankazomanga ny 10 septambra 2025, dia olona miisa 6 hafa indray no voasambotra.
Teny Tsarahonenana no voasambotra ireto mpanao fikambanan-jiolahy ireto ny 16 Septambra 2025, ka lehilahy 4 sy vehivavy 2 izy ireo.
Lelavola 3.900.000 Ariary, finday maromaro, firavaka miisa 07 misy vato sarobidy izay mitombam-bidy hatrany amin’ny 20 tapitrisa ariary ny iray, no tratra tany amin’izy ireo.
Mbola tanana eo anivon’ny Biraon’ny Polisimpirenena izy ireo hanohizana ny fanadihadiana sy hatao andri-maso mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny Fampanoavana.

 

OLONA 06 HAFA INDRAY NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY RAHARAHA FANAFIHANA TAO AMIN’NY TRANO FANDRAISAM-BAHINY IRAY TETSY ANKAZOMANGA

Vous pourrez aussi aimer