Ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena
-Nandritra ny fisafoana nataon’ny Hery Vonjy Taitran’ny Polisimpirenena tao Ambatondrazaka tao amin’ny fokontany Avaradrova Avaratra, ny alin’ny 18 Septambra 2025 no nahitàna bolabolana hazo « palissandre » maromaro efa vita rafitra, efa vonona ho entina am-bisikileta.
-Niroso tamin’ny fanadihadiana ny Polisy avy ao amin’ny CSP Ambatondrazaka hikarohana ny tompon’antoka amin’izao trafika izao ka Bisikileta miisa 03, sy bolabolana « palissandre » miisa 24 no hita nandritra ny fisavàna.
-Efa nampahafantarina momba izao raharaha izao ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Alaotra Mangoro.
-Manentana hatrany ny rehetra ny Polisimpirenena mba tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy.

 

AMBATONDRAZAKA : HAZO « PALISSANDRE » SAIKA HAONDRANA SARON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer