Fanampim-pahaizana sy fampiofanana mitohy
– Natomboka tao amin’ny tranobe ARO, ao Nosy Be, ny marainan’ny 18 SEPTAMBRA 2025, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana momba ny ady amin’ny fizahan-tany mamoafady sy ny herisetra ara-nofo atao amin’ny zaza tsy ampy taona, karakarain’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana mitohy eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka (DRFC), hiarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena toy ny ONUDC sy ny FBI.
– Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana mitohy, ny Contrôleur Général de Police RASOAMANANJARA Pierrette, niaraka tamin’ireo mpampiofana iraisam-pirenena.
– Polisimpirenena miisa 30 avy ao Nosy Be no misitraka izao fampiofanana izao izay haharitra roa andro.

NOSY BE : MIATRIKA FIOFANANA MIKASIKA NY ADY AMIN’NY FIZAHAN-TANY MAMOAFADY SY NY ADY AMIN’NY FANARARAOTANA ARA-NOFO ATAO AMIN’NY ZAZA TSY AMPY TAONA NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer