– Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana
– Ny 18 sy 19 Desambra 2025, nanatanteraka fanentanana sy fampianarana ireo mpampiasa lalana ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisarian’ Amparafaravola sy ny Poste de Police Morarano Chrome, manoloana ireo loza mateti-piseho izay vokatry ny tsy fitandremana.
– Natao teny anivon’ny toerana samihafa ny fanentanana, ary fampiharana ny fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka momba ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny Polisy manakaiky vahoaka izy ity.
– Notsindriana manokana nandritra izany ny fanajàna ny lalànan’ny fifamoivoizana, toy ny fitondràna hatrany taratasy ara-dalàna, ny fanaovana aroloha ho an’ny moto, ny fampiasana jiro rehefa mandeha alina, ny fanajàna ny hafainganam-pandeha, ny fandraràna ny fitondràna olona na entana mihoatra ny tokony ho izy, ny tsy fitondrana fiara na moto na bisikilety rehefa mamo, ary ny fikojakojàna tsy tapaka ny fiara sy ny moto, indrindra ho an’ireo mpamily taxi-moto.