– Taorian’ny famoahana filazana fikarohana mpamily fiarakaretsaka iray teny Alasora izay tsy nahenoam-baovao nanomboka ny 5 Desambra 2025, dia nanao ny fikarohana rehetra ny teto anivon’ny Polisimpirenena.
– Rehefa hita ity mpamily taxi ity ny alin’ny 24 Desambra 2025 saingy efa nisy namono sy nafenina tanaty daba lehibe izay natao tanaty lavaka indray dia nanohy ny fikarohana ny Polisy avy ao amin’ny CSP Alasora.
– Avy amin’ireo angom-baovao samihafa no nahalalàna ny fisian’ireo nahavanon-doza.
– Tratra teny Ambohimangakely Ikianja fokontany Ambovokely androany 25 Desambra 2025 ity lehilahy 25 taona ity, izay isan’ireo namono ilay mpitondra taxi.
– Niaiky ny heloka vitany ity farany rehefa nentina natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny Polisy Alasora, ary nanoro ny namany iray izay efa karohina amin’izao.
– Araka ny fantatra dia noravain’izy ireo ilay fiara, izay antony namonoany ilay mpamily, ary namidiny tsikelikely ireo kojakoja ; ny vatan’ilay fiara ihany koa noravainy ary namidiny ho fatim-by.

 

TRATRAN’NY POLISY AVY AO AMIN’NY KAOMISARIA ALASORA NY IRAY AMIN’IREO NAMONO ILAY MPITONDRA TAXI HITA FATY TENY AMBOHIMIADANA ALASORA NY ALIN’NY 24 DESAMBRA 2025

Vous pourrez aussi aimer