– Nahitam-bokany ny hetsika fametrahana fandriam-pahalemana maharitra ataon’ny Polisy avy ao amin’ny Komisarian’ny Boriboritany faha-dimy (CSP5) Mahamasina, satria moto halatra iray no hita ary efa tafaverina amin’ny tompony.
– Ny Alatsinainy 5 Janoary 2026 lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina, nandritra ny fanaovana fisafosana, dia nisy nampandre ireo Polisy niasa teny an’elakelan-trano nanao fisafoana fa misy olona mampiahiahy manosika moto teny amin’ny faritry ny Jirama Soanierana.
– Tsy niandry ela ny Polisy fa nidina teny an-toerana avy hatrany. Vao nahita ireo Polisy anefa ireo olon-dratsy, dia nirifatra nandositra ka namela ilay moto teo an-toerana.
– Nandritra ny fisavana no nahitàna ny taratasin’ilay moto, izay misy ny anarana feno sy ny adiresin’ny tompony.
– Rehefa nantsoina ny tompon’ilay moto dia tonga tao amin’ny Kaomisaria ary rehefa voamarina ny mombamomba azy dia naverina any aminy ilay moto.
