– Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
– Lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP I – Camp des Manguiers Toamasina, noho ny fitanana, fitaterana ary fivarotana rongony ny maraimben’ny 26 Janoary 2026.
– Nandeha cyclo-pousse ity mpivarotra rongony ity ary nafeniny tao anaty valizy ireo zava-mahadomelina. Rehefa natao ny fisavana dia nahitana rongony milanja roapolo (20) kilao tao anaty entany.
– Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa avy any amin’ny faritra Diana no niavian’ireo rongony ireo, ary nokasaina hoentina sy hamidy ao Toamasina.
– Ho tohin’ny fanadihadiana dia nahatratra olona telo hafa nahatratrarana rongony izay efa vonona ho amidy ihany koa ny Polisimpirenena ny 27 Janoary 2026 maraina. Fantatra fa misy fifandraisana amin’ilay lehilahy tratra voalohany izy ireo.
– Atao andri-maso sy famotorana savaranon’ando ireto mpivarotra rongony ireto mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

TOAMASINA : MPIDOROKA SY MPIVAROTRA RONGONY MIISA EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA : RONGONY MILANJA 20 KG TRATRA.

Vous pourrez aussi aimer