❌Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
🔴Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny Polisimpirenena ao amin’ny faritra Vakinankaratra, ao anatin’ny fanatanterahana ny hetsika MAHOMBY.
đźš”Nandritra ny fisafoana tamin’ny alina ny herinandro lasa teo, nanomboka ny 23 hatramin’ny 28 febroary nataon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra dia olona 36 no nentina tany amin’ny Kaoimisaria nanaovana fanadihadiana fohy sy raisina an-tsoratra ny mombamomba azy noho ny tsy fitondrĂ na kara-panondro amin’ny alina ; olona 2 nosamborina noho ny fidorohana zava-mahadomelina.
🔎Nandritra ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ireo fiara fitanteram-bahoaka dia Bajaj 3 tsy misy taratasy no tratra niampy moto iray. Olona roa kosa no voasambotra, voarohirohy tamin’ny fihetsika mamoafady natao tamina zaza tsy ampy taona.
đźš©Tao amin’ny kaomisaria Ambohimena indray, cyclo-pousses 4 no notanana fa tsy misy taratasy. Tamin’ny hetsika fanaraha-maso eny an-tsena, olona iray no voasambotry ny Polisin’ny FIP Antsirabe noho ny harom-paosy.
🏢Samy nentina eny amin’ny biraon’ny Polisy avokoa ireo olona voarohirohy amin’ny fandikan-dalĂ na ireo hanokafana fanadihadiana.
ANTSIRABE : NAHAZO VOKATRA MARO TAMIN’NY FITANDROANA NY FILAMINANA TAO ANATIN’NY HETSIKA MAHOMBY
