👉Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
đź”´Ny 24 Febroary 2026 maraina, lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena, tratra Ambodiomby nanao sinto-mahery teny Andranonahoatra Itaosy.
🎯Ny tolakandron’io ihany, lehilahy iray hafa no tratra ambodiomby tao anaty fiara fitateram-bahoaka nangarom-paosy mpandeha iray.
Ny 24 febroary 2026 io ihany, lehilahy miisa 02 hafa mpanao halatra kojakoja ao anaty fiara no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao Itaosy, teny Ambohijafy Bemasoandro sy Isotry.
➡️Finday sy volamena mitentina 15 tapitrisa Ariary no lasan’izy ireo ny alin’ny 21 Febroary 2026 teny Ambohijafy Bemasoandro raha namonjy fety ny tompon’ny fiara ka nijanona tanaty fiara ireo entana ireo. Niaiky ny heloka vitany ireto roalahy ireto nandritra ny Famotorana.
🏢Natolotra ny Fampanoavana ny 27 Febroary 2026 izy ireo ary samy nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
ITAOSY : MPANAO SINTO-MAHERY SY MPAMAKY FIARA MIISA EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
