– Niroso tamin’ny andro faharoa, ny 03 Martsa 2026 ny Fikaonandoham-pirenena izay ataon’ny Polisimpirenena. Teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato no nanatanteraka ny dinika sy ady hevitra ireo mpizaika amin’izany.
– Voasolo tena avokoa ny laharam-boninahitra rehetra ao amin’ny Polisimpirenena. Nizara tamin’ny asam-baomiera ireo mpizaika tamin’ity andro faharoa ity.
– Nisy ihany koa ny fandraisana manokana ireo Talem-paritry ny Filaminambahoaka niarahana tamin’ny mpitantana avy ao amin’ny Minisitera foibe. Nitarika izany ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette.
– Marihana fa dingana ihany ity tontosaina eto Antananarivo ity, ho fanomanana ny fikaonandoha izay mbola hitohy any amin’ireo Faritra manerana ny Nosy. Aorian’izay ny fandravonana ireo hevitra rehetra.
NIDITRA TAMIN’NY ANDRO FAHAROA NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA TANTERAHIN’NY POLISIMPIRENENA MALAGASY KA TENY AMIN’NY SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY (ENSP) IVATO NO NANAOVANA IZANY