– Nisongadina tamin’ny alalan’ny Diabe ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy taona 2026, izay notanterahina tetsy Anosy, Antananarivo.
– Vehivavy sy fikambanam-behivavy maro avy amin’ny Andrim-panjakana sy sampandraharaham-panjakana, ary koa ireo solontenan’ny vehivavy avy amin’ny Faritra 24 manerana ny Nosy no nandray anjara tamin’izao diabe izao.
– Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA sy ny vadiny, Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny vadiny avy, ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, ary ireo Minisitra mpikambana eo anivon’ny Governemanta.
– Nanotrona izao lanonana izao ihany koa Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur General de Police ERICK MICHEL sy ny vadiny, Ramatoa ERICK MICHEL Lantosoa.
– Nandray anjara tamin’izao diabe izao ny FIVAPOVA, izay notarihin’ny Filoham-boninahitry ny fikambanana, Ramatoa Lantosoa ERICK MICHEL.
– Samy nandray anjara tamin’ireo hetsika isam-paritra ireo mpikamban’ny FIVAPOVA amin’ireo Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka manerana an’i Madagasikara.
– « Ny vehivavy Malagasy, hery iray ho an’ny fanavaozana ny firenena ».



