– Ady amin’ny halatra isan-karazany.
– Ny Alahady 08 martsa 2026 alina, nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny « Poste de Police Avancé » Soavina Atsimondrano teny Ambodirano no nifanahetra tamina roalahy sy vehivavy iray nanosika moto teny an-dalambe izy ireo.
– Vokany, hita fa tsy ara-dalàna ny taratasy momba ilay moto sady tsy misy fanalahidy nipetaka taminy.
– Nentina natao fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny Polisy izy telo ireto ary niaiky fa halatra ilay moto.
– Ny 09 martsa 2026, nisy vehivavy iray tonga tao amin’ny biraon’ny Polisy nilaza fa very moto ny alin’io teny Anosizato. Rehefa natao ny fanamarinana dia voamarina fa ilay moto tratra tamin’ireo voasambotra tokoa io very io ary efa naverina taminy.
– Nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity ny Polisy ka hatolotra ny Fampanoavana izany rehefa vita ny famotorana savaranonando.
