– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Ny alin’ny 08 Martsa 2026, nandritra ny fisafoana teny amin’ny manodidina an’Andravoahangy sy Anjanahary, dia nisy lehilahy iray voasambotra tao amin’ny lalan-kely iray tao Mahavoky noho ny fanaovana sinto-mahery finday.
– Ny 09 Martsa 2026, mpangalatra moto iray no tratra teny Mahavoky Besarety. Voasakana teny Ampasampito ilay moto rehefa nandray andraikitra haingana ny Polisy na niezaka nandositra aza ity olon-dratsy ity.
– Ny 10 Martsa 2026 maraina indray dia nisy lehilahy iray voasambotra teny Mandilaza Ankadifotsy, tratra am-bodiomby nangalatra gony nisy akanjo. Niezaka nandositra tamin’ireo lalan-kely tao an-toerana izy saingy tratran’ny Polisy.
– Samy nentina ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo ireo voasambotra mba atao fanadihadihana.
