🤝 Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka.
🔎 Tsy mitsahatra mikaroka hatrany ny fomba fiasa mahomby hanomezana tolotra fandriam-pahalemana mifanandrify amin’ny takian’ny vahoaka ny Polisimpirenena.
đź“… Alakamisy 12 Martsa 2026 : nivory tetsy amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalana ireo tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny Polisimpirenena miasa eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.
👮‍♂️ Nitarika izany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor. Niaraka taminy ny Tale Jeneraly lefitra, ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga sy ireo lehiben’ny Kaomisaria Foibe telo eto an-drenivohitra.
📢 Nomena baiko mazava ireo Polisimpirenena amin’ny tsy maintsy hampidinana ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana mba hampisy filaminan-tsaina eo amin’ny mpiray Tanindrazana ka afaka miatrika ny andavan’andro tsy misy ahiahy.
✅ Hamafisina hatrany ny fanakaikezan’ny Polisimpirenena ny vahoaka ary etsy an-kilany ny vahoaka dia entanina tsy hisalasala hiantso Polisy na hanatona ny biraon’ny Polisy raha misy ilà na izany.

