– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
- Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha hoy ny Ntaolo malagasy. Tsy mba toy izany ny fisainan’ireto jiolahy ireto fa rehefa nihevitra izy ireo fa mangingina ny tanàna dia nikasa hianika tambohon’olona an-tsokosoko. Tao Fiofio Mahajanga no nitrangàn’izany ny alin’ny 15 Martsa 2025.
-Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nampandre ny Polisy ireo manodidina. Tonga haingana teny an-toerana ny Polisin’ny UIR Mahajanga izay nanao fisafoana teny akaiky teny ihany ka nifanehatra tamin’ireo jiolahy.
Nanohitra sy nikasa hamely tamin’ny antsibe teny aminy ny iray tamin’ireo jiolahy ka tsy maintsy niaro tena ny Polisy.
- Ny vokatr’izany :
Jiolahy iray maty voatifitra tao anatin’ny tokotany. Tratra sambo-belona ny iray ary efa nentina any amin’ny Kaomisaria Foibe, mbola mitohy ny fikarohana ny namany Tafaporitsaka.
- Voasoroka araka izany ny asa ratsy saika hataon’ireto jiolahy ireto noho ny firaisan-kina misy eny amin’ny fiarahamonina, manentana ny vahoaka hatrany ny Polisimpirenena mba tsy hisalasala hiantso sy hampandre raha misy tranga mampiahiahy.
