– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
– Efa mian-dahy miam-bavy ny asa fanendahana ankehitriny ka mila mailo hatrany. Ny marainan’ny 23 martsa 2026, tovovavy iray no saika voaroba teo am-piaingàna handeha hiasa tao amin’ny Cité Ambodin’Isotry.
Nisy vehivavy iray nanaraka azy ary nanararaotra lalankely tery ka nisintona ny firavaka teny aminy. Niaro tena ilay niharam-boina ary niantso vonjy.
– Noho ny firaisan-kinan’ny olona teo akaiky teo dia voasambotra avy hatrany ilay mpanao ratsy. Nampandre ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny komisaria CSP4 Isotry izy ireo izay tonga haingana teny an-toerana ary nitondra ilay voarohirohy sy ny niharam-boina tany amin’ny kaomisaria mba hanokafana fanadihadiana.

 

AMBODIN’ISOTRY : VEHIVAVY IRAY MPANAO SINTO-MAHERY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer