– Taorian’ny fanendrena indray ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL ho Minisitry ny Filaminambahoaka, dia tonga nitsidika sy niarahaba azy tao amin’ny toeram-piasany ireo tomponandraikitra ambony mandrafitra ny “Staff” eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny marainan’ny 26 Martsa 2026.
– Nirary soa ho an’Andriamatoa Minisitra mba hahavita be amin’ny fanohizana ny andraikitra ireo mpiara-miasa aminy ary nampiseho fahavononana mba hampivoatra hatrany sy indrindra hitondra fihavaozana sy fanavaozana eo amin’ny asa.
Nandritra izany ihany koa no nanehoan’Andriamatoa Minisitra ny fankasitrahany ireo mpiara-miasa akaiky aminy, noho ny ezaka sy ny asa vitan’izy ireo nandritra ny fotoana nitantanany ny Minisitera.
– Nohamafisiny fa hitohy hatrany ireo ezaka efa natomboka, ary haseho amin’ny alalan’ny fanatsarana hatrany ny tolotra omena ny vahoaka Malagasy izany, ho fampanjakana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana.
MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : NANAO FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA SY NIARAHABA NY MINISITRA, NY INSPECTEUR GÉNÉRAL DE POLICE ERICK MICHEL, IREO TOMPONANDRAIKITRA AMBONY EO ANIVON’NY POLISIMPIRENENA