– Notanterahina ny 29 Martsa 2026 teny amin’ny Fasan’ny Mahery fo (Mausolée Avaratr’Ambohitsaina), tany Moramanga ary tetsy Ambohijatovo ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo mahery fo izay namoy ny ainy ho an’ny fahafahan’i Madagasikara 79 taona lasa izay, ny 29 Martsa 1947.
– Nitarika ny fotoana Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Mickaël, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina avo ny Fanavaozana, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, niaraka tamin’ireo minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta.
– Nivoitra nandritra ny lahateny nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa ny fitiavan-tanindrazana no ivon’ny tolom-piavotana nentin’ireo mahery fon’ny Firenena, ary io fitiavan-tanindrazana io no niteraka fahasahiana hanohitra ny mpanjanaka na dia tsy nifandanja velively aza ny hery teo am-pelatanana, mba hahazoana antoka fa ho afaka amin’ny fanagejana i Madagasikara sy ny taranaka faramandimby.
– Nanentana sy nisarika ny saina hatrany izy, mba hifantoka amin’ny fampandrosoana ity firenena ity isika, mba hifanohana sy hifanome tanana tsy hanaiky hozarazaraina amin’ny fandranitana sy ny faminganana ara-politika.
– Niray fo nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana tetsy amin’ny fasan’ny Mahery Fo tetsy Mausolée Avaratr’Ambohitsaina sy tany Moramanga ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Nanolotra fanampiana ho an’ireo bekotro maro holatra, izay akanga sisa nanamborana tonga teny an-toerana ny fitondram-panjakàna.
– Ho an’ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambaton’ny Mahery fo teny Ambohijatovo kosa, dia ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, no nitarika ny lanonana.






