– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
‎- Ahitam-bokany hatrany ny fanatanterahana ny « Opération Mahomby » ataon’ny Kaomisaria Foibe ao Fianarantsoa. Eo rahateo ny vahoaka izay matoky ny Polisimpirenena ka manome loharanom-baovao, ary tanana tsiambaratelo hatrany izy ireny.
– Ny 19 Martsa 2026 tao Igaga taorian’ny fitoriana voaray momba ny vaky trano; nanao ny fanadihadiana ny Polisimpirenena ka voasambotra ny 24 martsa tao an-toerana ihany ny olona roa ka vehivavy ny iray izay tomponantoka tamin’izany. Naverina tamin’ny tompony ny finday « marque Wiko » halatra izay tratra tany amin’izy ireo rehefa vita fanamarinana.
‎- Ny 24 Martsa 2026 tany Ampasambazaha sy ny manodidina no voasambotra ihany koa ny lehilahy telo izay efa malaza ratsy amin’ny vaky trano. Ity andian-jiolahy ity dia mpampihorohoro amin’ny faritra Andrainjato, Soanierana, ary Ambodirano.
Nahatrarana entana halatra maro tany amin’izy ireo toy ny : fahitalavitra fisaka, fanamafisam-peo, akoho amam-borona ary kojakojan-dakozia maro.
– Nahitana fitaovana toy ny « barre à mine » sy famaky izay fampiasa rehefa manao ny asa ratsy ihany koa ireto jiolahy ireto.
– ‎Ny Polisimpirenena dia tsy mitsahatra mitady ny fomba rehetra hisamborana ireo mpanao ratsy eny amin’ny fiarahamonina mba ho tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka.

 

FIANARANTSOA : MPAMAKY TRANO MIISA 05 KA VEHIVAVY NY IRAY NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer