TAOLAGNARO : LEHILAHY IRAY MISOLOKY HO MPAMPIDITRA MPIASA AMINA ORINASA ANY AN-TOERANA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Ady amin’ny fisolokiana ✅Fisolokiana, fisandohana andraikitra, fampiasana sy famokarana hosoka ; izany rehetra izany no fandikan-dalàna nanenjehana an’ity lehilahy 28 taona ity. ➡️Fitarainana nataon’ny mponina tao amin’ny Fokontany Ampamakiambato no voarain’ny Polisy avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka tao Taolagnaro

TOVOLAHY MIISA 07 AO ANATIN’NY VONDRONA “FOROCHE », VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ARY NAMPIDIRIN’NY FAMPANOAVANA AM-PONJA VONJIMAIKA NOHO NY RESAKA FAMPIHOROHORONA SY FIKAMBANANA MPANAO ASA RATSY TAO ANTSIRANANA

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana ➡️Tovolahy miisa 7, izay mbola misy tsy ampy taona, manao fikambanana andian-jatovo antsoina hoe « Foroche » no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Diana, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Tanambao Soafeno Antsiranana.

LEHILAHY ROA MPIVAROTRA SY MPANAPARITAKA RONGONY ENY SOAVIMASOANDRO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Ady amin’ny fiparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina ➡️Tratran’ny Polisy avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Stup Anosy, teo am-pivarotana rongony izy roa lahy ireto, ny atoandron’ny 30 Jona 2025 teny Soavimasoandro. ➡️Efa maro ny fitarainana voarain’ny Polisimpirenena mikasika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny an-toerana,

LEHILAHY ROA MPIDOROKA ZAVAMAHADOMELINA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TETSY AMPITATAFIKA ATSIMONDRANO — NAHATRATRARANA FITAOVAM-PIADINA MAHERY VAIKA TENY AMINY

Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ✅Loharanom-baovao mari-pototra no nampahafantatra ny Polisimpirenena fa misy lehilahy iray mitahiry sy midoroka zava-mahadomelina mahery vaika eny amin’ny manodidina an’i Faliarivo Ampitatafika. Nirotsaka an-tsehatra mba hahafahana manamarina ny zava-misy ny Polisy avy ao amin’ny Sampandraharaha «

ADY AMIN’NY VIH/SIDA : MISY NY FANENTANANA MITETY IREO KAOMISARIA

Fijerena ny lafiny maha olona ➡️Natomboka tao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany Faharoa etsy Ambohijatovo ny talata 02 jolay 2025, ny hetsika fampahafantarana sy fanentanana momba ny fisorohana sy ady amin’ny VIH/SIDA. ➡️Ireo Polisy miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanatanjahantena niaraka tamin’ireo solotenan’ny

DAHALO MIRONGO FITAOVAM-PIADIANA NANAO FANAFIHANA FIARA 4×4 TANY AMIN’NY FARITRA MELAKY : MATY VOATIFITRY NY POLISY NY IRAY, VAKY NANDOSITRA NY AMBINY

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana ➡️Nitrangana fanafihana fiara ny marainan’ny faha 03 Jolay 2025 tao Analavory, ao amin’ny Kaominina Beravina, Distrikan’i Morafenobe, Faritra Melaky. Fiara an’ny ONG iray niainga tao Maintirano hihazo an’i Tsiroanomandidy no notafihin’ireo dahalo izay nirongo fitaovam-piadiana toy

ADY AMIN’NY KOLIKOLY : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FIFANAKALOZANA TRAIKEFA NIARAHANA TAMIN’I ZIMBABWE NY POLISIMPIRENENA MALAGASY

Ady amin’ny kolikoly ➡️Notanterahina ny faha 02 Jolay 2025 tao amin’ny Toby RATSIMANDRAVA ny fikaonan-doha niharahan’ny Parlemantera Zimbabweana sy ny sampan-draharaha avy amin’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariam-pirenena miady amin’ny kolikoly. ➡️Nihatrika ity fihaonana ity Andriamatoa Goromonzi Chikwaka izay Lehiben’ny Sampana