FANKALAZANA NY FAHA 62 TAONAN’NY POLISIM-PIRENENA: HAZAKAZAKA ARA-PIRAHALAHIANA SY KERIMESY NO NANAMARIHANA NY FAHA 62 TAONA NY ASABOTSY 30 SEPTAMBRA , MBOLA HITOHY ANDROANY KOSA NY KERIMESY

đŸ‘źâ€â™‚ïžđŸ‘źâ€â™€ïžPolisy manodidina ny 700 mahery no naneho ny firaisan-kinany tamin’ny alalan’ny hazakazaka teny Ivato ho fanohizana ny hetsika fanamarihana ny fankalazana ny faha 62 taonan’ny Polisim-pirenena. Nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny hazakazaka ary nifarana teny amin’ny Sekoly Ambonin’ny Polisy Ivato .
🎉🎉Nitohy teny an-toerana ny hetsika tamin’ny fanombohana ny kerimesy ho fampifaliana ireo fianakaviana polisy .
🎆Nofaranana tamin’ny fanapoahana afomanga moa ny andro omaly saingy mbola hitohy androany Alahady kosa ny kerimesy izay hisy đŸ›ŽđŸŽžđŸ”« kilalao maro be sy đŸŽžđŸ„đŸŽ€fampisehoana hiarahana amin’ny mpanakanto maro samihafa ho an’ireo izay tonga eny an-toerana.

FANKALAZANA NY FAHA 62 TAONAN’NY POLISIM-PIRENENA: HAZAKAZAKA ARA-PIRAHALAHIANA SY KERIMESY NO NANAMARIHANA NY FAHA 62 TAONA NY ASABOTSY 30 SEPTAMBRA , MBOLA HITOHY ANDROANY KOSA NY KERIMESY

Vous pourrez aussi aimer