Ady amin’ny fanaovana hosoka
-Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina ny marainan’ny 02 Septambra 2025, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, taorian’ny fitarainana voarain’izy ireo fa namitaka tamin’ny vola sandoka ity lehilahy ity.
-Mody mametraka vola 1 hetsy Ariary ity mpanao vola sandoka ity, 2 alina Ariary miisa 5 no entiny ka ny 2 alina Ariary tena izy no ataony eo amin’ny farany ambony ; ny 2 alina Ariary miisa dimy kosa dia vola sandoka avokoa.
– Nentina eo anivon’ny Kaomisaria Boriborintany fahadimy Mahamasina ny raharaha ary mitohy ny fanadihadihana.

 

LEHILAHY IRAY NAMITAKA MPANAO CASH POINT TAMIN’NY VOLA SANDOKA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TETSY ANKADIMBAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer