– Inspecteurs de Police miisa 149 sy Agents de Police miisa 996 avy amin’ny Andiany MANEVA no nahavita ny fiofanana teo anivon’ny ENIAP Antsirabe ka nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 19 Desambra 2025.
– Ahitana vehivavy miisa 154 ity Andiany ity ka ny 21 amin’ireo no nivoaka ho Inspecteurs de Police raha 133 kosa ny Agents de Police. Niditra ny Sekoly ny volana Novambra sy Desambra 2024 izy ireo ary niofana nandritra ny herin-taona.
– Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, izay notronin’ny solontena mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO MAMINIRINA Ely. Nanome voninahitra ity lanonana ity ihany koa ny Filoha lefitry ny Antenimieran-doholona, Andriamatoa Nicolas RABEMANANJARA.
– Nanafatra sy nanome tso-drano ny andiany “MANEVA” ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, ny mba hanatanterahan’izy ireo ny asa an-tsakany sy an-davany fa indrindra anatin’ny fahitsiana. Adidy masina no hiantsorohan’izy ireo ka tsy tokony hanao antsirambina ny asa fa hanatontosa izany araka ny lalàna mifehy ny Polisimpirenena.
– Notanterahina androany ihany koa ny famindràm-pibaikoana teo amin’ny Talen’ny ENIAP vao nandray ny asany, ny Commissaire Principal de Police RAKOTONIRINA Jimmy Clark sy ny Tale teo aloha voatendry amin’ny andraikitra hafa, ny Commissaire Divisionnaire de Police TALILY Damy.
– Handray asa avy hatrany ny andiany MANEVA hanatevin-daharana ireo Polisy efa eny an-kianja amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny fetin’ny Noely, ny faran’ny taona ary ny fandraisana ny taom-baovao. Aorian’izay dia hahazo ny fanendrena raikitra izy ireo.




