– Notanterahina ny Sabotsy 14 Martsa 2026 teny amin’ny Université d’Antananarivo Ankatso ny lanonana fanolorana marim-pahaizana iraisam-pirenena ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny atrikasa iraisam-pirenena Taekwon-Do ITF.
– Miisa 25 mianadahy no nahazo izany, ka anisany ireo Polisimpirenena miisa 5.
– Nitarika ny lanonana Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Yves Francky, tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikambanana Taekwon-Do ITF, filoha NGB Madagasikara.
– Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Tale Jeneraly Lefitra eo anivon’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police SERALY Hercule, izay naneho fankasitrahana sy fisaorana ny fikambanana
ITF Madagascar Original Taekwon-Do Association, noho ny fikarakarana ity fiofanana ity sy ny fiaraha-miasa amin’ny Polisimpirenena amin’ny fampianarana « self-defense ». Nambarany fa manampy betsaka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao, indrindra eo amin’ny lafiny fiarovan-tena izany, sy firosoana amin’ny matihanina kokoa hatrany ho fampiharana ny zon’olombelona raha misy ny tranga ilàna ny fampiasan-kery eo am-perinasa.
– Nanatrika ny fotoana ihany koa ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss, Talen’ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC), izay nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ireo Polisy sy ireo mpampiofana.
– Teo ihany koa ny Frère Visiteur an’ny La Salle Madagasikara sy ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo izay nisitraka ny Grades Honorifiques sy ireo mpiara-miasa aminy izay nanohana ity hetsika ity tamin’ny fampiatranoana.




